Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Ambilobe – Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afo

Nitrangana hain-trano mahatsiravina ny tao amin’ny fokontany Anjaridaina, ao an-tampon-tanànan’ Ambolibe ny alin’ny zoma 28 aogositra lasa teo. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny afo fa tovolahy kely 13 taona no fantatra fa namoy ny ainy tamin’izany loza izany.

Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao, tsy tao an-tranon’ilay niharan-doza no nitranga ny hain-trano fa tany amin’ny fonenanan’ny sakaizan’ny zokiny. Araka ny vaovao voaray hatrany dia nandeha nijery lanonana izy sy ny zokiny ary ny sakaizan’ity farany ka rehefa nirava izany fety izany dia nandeha nivoaka namonjy alim-pandihizana indray ny zokiny sy ny sakaizany ka najanon’izy ireo tao an-trano irery ilay tovolahy. Tsy fantatra mazava ny tena niandohan’ny afo tao amin’ilay efitrano iray ambany rihana fa nisy gazy tao anatin’izany trano izany ka nanamora ny fipoahana sy ny firehetana. Resi-tory ihany koa ilay tovolahy kely ka tsy naheno ny firehetana.

Ny manodidina koa anefa tsy nahatsikaritra ny zava-niseho raha tsy efa nijoalajoala be ny afo  tamin’ilay trano. Niantso ny mpamonjy voina ihany ny fokonolona fa tsy afaka nanao ny asany fa simba ny kamiao mpitondra rano. Nifamonjenan’ny mponina ny namono ny afo saingy tsy tratra intsony ny ain’ilay zazalahy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre