Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Lozam-pifamoivoizana – Olona iray maty, fito hafa naratra

 

Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny  kamiao tamin’iny farany herinandro iny teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mpitondra kodiaran-droa iray no namoy ny ainy ary olona fito hafa no naratra nodomin’ izany fiara vaventy izany. Teny Andoharanofotsy no niseho ny loza voalohany ny marain’ny zoma lasa teo tamin’ny 7ora. Fiara tsy mataho-dalana iray nitondra masera no nofaohan’ny kamiao ka potika tsy nisy noraisina ilay 4×4. Masera miisa telo sy frera iray handeha hamonjy fotoam-pivavahana teny Analamahitsy indray naratra avokoa.

Ankizy miisa telo no naratra mafy teny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, ao amin’ny kaominina Carion ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana ny zoma iny ihany. Kamiao sy Sprinter indray ity nifandona ity. Araka ny fantatra dia nikasa hisongona fiara iray teo alohany ilay kamiao. Vantany vao tafahoatra izany anefa dia notsenain’ny fiara Mercedes Sprinter iray izay nifanohi-dalana taminy. Rangahy iray nitondra môtô lehibe kosa no maty tsy tra-drano rehefa nodomina kamiao tany Miarinarivo  ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana, kamiao nitondra vary milanja 8 taonina avy any Soavinandriana ity nifaoka azy ity.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre