Toliara – Lehilahy maty nokapain’ ny jiolahy famaky
Mitohy ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny fokontany Mahavatse voalohany ao Toliara. Tokantrano iray tao an-toerana indray no nidiran’ny jiolahy miisa telo nirongo basy sy famaky ny marainan’ny alahady teo, tokony tamin’ny 2ora tany ho any. Novakian’izy ireo ny varavarana ary vantany vao tafiditra dia norahonan’izy ireo ny mpivady tompon-trano hanome ny fananany tao amin’izany trano izany. Rehefa tsy nanaiky izay nolazainy ireo mpivady avy hatrany dia nokapain’izy ireo tamin’ny famaky teo amin’ny lohan’ ilay rangahy sy ilay ramatoa vadiny.
Noraofin’izy ireo avokoa avy eo ny entana tao an-trano rehefa tsy afaka nanohitra azy ireo ny lasibatra ary avy eo vaky nandositra. Efa lasa lavitra ireo olon-dratsy izay vao sahy niantso vonjy ny manodidina ary nitondra azy mivady teny amin’ny toeram-pitsaboana eny Andabizy. Noho ny ra very be loatra tamin’ilay rangahy anefa dia tsy tana intsony ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Ilay ramatoa vadiny kosa mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







