Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Kapoka kely !

Niteraka resa-be teo anivon’ny fiaraha-monina, indrindra ireo mpanara-baovao, ny fisamborana tamin’ny fomba mahery vaika nataon’ny zandary an’i Jean Pierre, ilay mpitarika fitokonana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Tsy miditra loatra amin’ny antony nisamborana ity tovolahy ity ny hevitry ny maro an’isa saingy kosa tena tsy mankasitraka ny fomba nanatanterahana izany. Nahery fihetsika ary tsy nitsitsy mihitsy ireo mpitandro filaminana nanao ny fisamborana ary miohatra lavitra noho ireny tratran’ny fitsaram-bahoaka ireny i Jean Pierre. Mety nanana ny rariny ny mpitandro filaminana raha nanao ny fisamborana satria tena nahery vaika ihany koa ny fihetsik’ireo mpianatra izay sady nitora-bato variraraka no nandoro sy nanimba zavatra. Tsy manome rariny ny fikasihan-tanana an’ity mpianatra ity kosa anefa izany zava-nitranga izany. Zandary marobe no indray nifarimbona nidaroka tamin’ny daka sy totohondry ary hitsaka miampy fampiasana fitaovana fikapohana misy herin’aratra. Efa lavo tamin’ny tany ary hita fa tsy afaka ny hanohitra sy hitsoaka intsony ilay mpianatra nefa mbola nitohy ihany ny daroka. Efa nitsipaka tamin’ny tany tsy nahavita niarina intsony izy mbola nolanjaina toy ny biby ary nafafy atao anaty fiara. Tsy vitan’izany fa mbola natao tao ambany seza ary nipetrahana teo amboniny. Nahita ny mafy indrindra teo amin’ny fiainany i Jean Pierre ary inoana fa ho tsaroany mandrakizay iny fisamborana fanindroany nahazo azy iny. Mazava anefa ny tenin’ny lehiben’ireo zandary fa “kapoka kely” iny natao an’i Jean Pierre iny. Izany hoe manamafy izy fa tena nanara-dalàna ary tsy misy ho kianina ny fomba nanaovana  ny fisamborana. Samy manana ny kapoka keliny marina ary soa fa tovolahy mafitoto sy mbola ao anatin’ny heriny tanteraka i Jean Pierre fa raha olon-kafa osaosa no niharan’ireny daroka be ireny dia inoana marimarina fa nitondra takaitra na mety namoy ny ainy mihitsy.

Tsy misy hitsabaka amin’ny asan’ny mpitandro filaminana ary tsy misy haneho hevitra hamiliana ny baikon’izy ireo saingy kosa tena hita fa tena nahery vaika loatra iny fisamborana iny. Mba olom-belona ihany ilay mpianatra ary tsy nanao heloka bevava teto amin’ny firenena nefa dia fampijaliana imasom-bahoaka no natao azy. Tsy nisy malagasy mbola misy fo amam-panahy angamba tsy nitsetra ity mpianatra ity satria tena mafy loatra ny nanjo azy. Na ireo jiolahy sy mpamono olona tratran’ny fitsaram-bahoaka azy mbola arovan’ny mpitandro filaminana ihany nohon’ny fanajana ny zon’olombelona. Mpianatra eny Ankatso anefa ity voasambotra ity ary tena tao anatin’ny tambohon’ny oniversite izy no nobedaina sy nodarohana izay vao navoaka teny ivelany.

“Kapoka kely” ireny, hoy ny lehiben’ny zandary, izay nanipika ihany koa fa tafiditra ao amin’ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana ny fitadiavana hevitra mba tsy hampihetsika intsony ilay olona nosamborina. Nandeha ihany ny vazivazy zary tenan’ny mpanara-baovao teny an-dalana sy teny anaty tambazotram-pifandraisana nilaza avy hatrany fa ny jiolahy sy dahalo ary mpanao fakana an-keriny no tokony hanamparan’ny mpitandro filaminana ny heriny fa tsy ny mpianatra na ny mpitarika sendika izay mitaky ny zony.

Lasa nampitombo indray ny elanelan’ny hantsana efa misy eo anoloan’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana iny zava-nitranga teny Ankatso iny. Lasa tsy mifampatoky intsony ny roa tonta satria ireo natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray no zary lasa hery famoretana sy fampitahorana izay miana-kendry maneho ny tsy hafaliany amin’ny fitondram-panjakana. Azo nosorohina anefa ary tsy tokony ho nisy akory ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpianatra raha nandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana. Efa tsy voavahan’ny minisitry ny fampianarana ambony intsony ny olana eny amin’ny oniversite dia tokony ho ny Filoham-pirenena mihitsy no mandray an-tanana mitady vahaolana amin’izany. Tsy ny minisitra rahateo no nofidin’ny vahoaka sy nampanantena ny mana sy edena fa ny filoha.

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre