Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Halatr’omby – Dahalo roa lavon’ny zandary

Dahalo miisa roa no lavon’ny mpitandro filaminana ny alahady 30 aogositra teo, tamin’ny toerana roa samihafa. Ny voalohany izay nitranga tany Maintirano, tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Mangotaka, fokontany Ambatovaky, kaominina Marohazo, tamin’ny 4ora tolakandro. Andian-dahalo miisa 10 nirongo fitaovam-piadiana no nangalatra omby miisa 56 tao an-toerana. Nisy ny fanarahan-dia ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta teo anelanelan’ny Marohazo sy Berefo. Dahalo iray namoy ny ainy nandritra izany ary iray hafa naratra fa mbola tafatsoaka. Tafaverina avokoa ny omby. Ny iray hafa tany Miandrivazo, tao amin’ny fokontany Ankilimahasoa, tokony ho misasak’alina tany ho any. Tsy fantatra ny isan’ireo dahalo, niaraka tamin’ny basim-borona no nandrobana ny omby roapolo. Nitovy ny paik’ady nampiasain’ireo olon-dratsy nandritra ireo fanafihana roa ireo. Nisy ihany koa ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana ka dahalo iray ihany koa no maty nandritra ny fifanjevona teo amin’ny roa tonta. Tafaverina ihany koa ny omby rehetra.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre