Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Manjaka ny halabotry

Raha nangigina ny asan-jiolahy ao amin’ny fokontany Ankirihiry Avaratra, vakim-paritra 11/58 efa taona maro mifandimby dia miverina mahazo vahana izany ankehitriny. Manjaka tanteraka ny halabotry ao amin’ity fokontany ity efa herinandro maromaro izay. Ny herinandro lasa teo dia nahitana taratra ny fitombon’ny trano tao an-toerana. Ary manararaotra ny tsy mahao an-toerana ny tompon-trano ireo olon-dratsy manao ny asa ratsiny.  Ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady teo dia fongana tanteraka ny entana tao an-tokantrano iray nohon’ny afitsoky ny jiolahy, lasa tamin’izany ny zava-maneno isan-karazany, lamba fitafy, ny kojakoja an-dakozia rehetra. Ankoatr’izay dia ny alahady hifoha alatsinainy teo, tokantrano roa hafa tsy lavitra an’io vaky io no nisy nanampitsoka ny varavarana. Soa ihany fa

taitra tampoka ny tao an-trano, ka lasa nandositra ireo olon-dratsy. Manoloana ity tsy fandriampahelemana ity dia mandrahona ny hanao fitsaram-bahoaka ny fokonolona raha mahatratra ireo jiolahy mpamaky trano mampihorohoro azy ireo. Noho izany dia mangataka ireo mponina amin’ny fanamafisana ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fisafoana ny fokontany Ankirihiry avaratra, vakim-paritra 11/58.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre