Fitsarana ao Toliara – Tonia mpampanao lalàna mianadahy napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy hariva teo
Mpitsara mianadahy izay hisahana ny asan’ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ao Toliara dia Razanabao Juliette fitsarana ambony sy Ramaromihisa Sylvestre José Mathias fitsarana ambaratonga voalohany no napetraka tamin’ny toerany tamin’ny fomba ofisialy tamin’ ny alalan’ny lanonam-pitsarana manetriketrika natao tao amin’ny lapan’ny fitsarana Toliara ny alatsinainy hariva teo, izay notronina olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila ary ireo mpiasan’ny fitsarana. Tonga nanome voninahitra sy nisolotena ny minisitry ny fitsarana tany Toliara ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny fitsarana. Nofaranana tamin’ny fanalana hetaheta sy ny nofon-kena mitam-pihavanana ny lanonana.
Hanarina ny lesoka
Nambaran’ireto mpitsara mianadahy vao nandray ny asany fa manana paik’ady manokana izy ireo hanatsarana ny Fitsarana ao Toliara, ary tsy handefitra mihitsy amin’ny fampiharana ny lalàna ho an’izay manao fandikan-dalana. Nitsotra ny tonia mpampanoa lalàna vaovao ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toliara, raha nandray fitenenana, fa misy ireo lesoka sy hadisoana ataon’ny mpitsara. Haverina izany, hoy izy hentitra, ary hatsaraina mba hahitam-bokatra tsaratsara kokoa. Manomboka izao, raha ny nambarany, dia hosaziana ireo izay mivezivezy ao amin’ny fitsarana ka manao asa fisolokiana, na koa mpanelanelana, ary hohamafisina ny fiaraha-miasa matotra amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo rehetra mahakasika ny asan’ny fitsarana mba iverenan’ny fitokisan’ny vahoaka.
Eric Toliara
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







