Fifohana rongony – Ankizivavy telo tsy ampy taona saron’ny polisy
Mirongatra ny fivarotana zava-maha-domelina ary indrindra ny fidorohana izany any Toamasina amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny folo andro monja dia olona folo no saron’ny polisim-pirenena ao an-toerana, ka ankizivavy tsy ampy taona ny telo tamin’izy ireo. Teo am-pifohana sy am-pivarotana izany indrindra izy ireo no tratran’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Ambalakisoa, vakim-paritra 21/63-64. Efa samy tsy mianatra izy ireo, ka ny roa 17 taona ary 16 taona ny iray. Fantatra ihany koa fa efa namita sazy tany am-ponja ny taona lasa iny ny iray amin’ireo 17 taona ireo nohon’ny firaisana tsikombakomba amin’ny fivarotana rongony hatrany.
Miisa 52 ny fonosana sy “sachet” rongony tratran’ny polisy nandritra ny fisamborana azy ireo. Niakatra fampanoavana ny raharaha ary miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy izy telo mirahavavy amin’izao fotoana izao.
Ny herinandro lasa iny ihany, dimy lahy mpifoka rongony no tratra ambodiomby tao Dépôt Analankininina, ary toaka gasy 100 litatra no sarona tao Mangarano II teo am-pitadiavana mpividy nandritra ny hetsika fametrahana filaminana ifotony sy isam-pokontany. Tsy vitan’izay ihany fa mpanendaka iray no tratra tao Ankihirihiry niaraka tamin’ny antsibe sy finday avy nangalariny.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







