Famonoana vazaha – Sarona ny zandary naman’ireo jiolahy
Vazaha iray teratany italianana tompon-trano fisakafoanana lehibe iray ao Antsiranana no namoy ny ainy nandritra ny fanafihany andian-jiolahy mitondra zava-maranitra, ny harivan’ny alatsinainy teo, tamin’ny 7ora tany ho any. Sendra niala sasatra niaraka tamin’ny vadiny tao amin’ny fokontany Ankoririka, kaominina Ramena, ao anatin’ny distrikan’i Antsiranana faharoa ity farany no niseho izany. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, naka rivotra teo an-davarangana ilay vazaha no nigadona tao an-tanana ny jiolahy miisa telo. Tratran’ny tampoka dia tsy afa-nihetsika ilay lasibatra rehefa nambanan’ireo olon-dratsy ny antsy lava lela. Tahaka an’ireny hita anaty horonantsary ireny ny fisehoan’ny fanafihana raha ny filazan’ny loharanom-baovao hatrany. Norahonan’ireo jiolahy hiditra ny trano izy sady ao an-damosina ihany ny antsy ambanana azy. Rehefa tafiditra tao an-trano dia nasain’izy ireo navoaka ny vola fa ity farany tsy nety nanaraka ny tenin’ireo tsy mataho-tody. Raha mbola mandrahona ilay teratany Italianina iny anefa izy ireo dia nivoaka avy any amin’ny efitrano ilay ramatoa izay tsy nanam-po na inona na inona. Mba tsy hanao fihetsika hafahafa dia nofatoran’izy ireo avy hatrany nyvava sy ny tongotra ary tanan’ilay ramatoa. Ary raha tsy nety namoaka ny vola ihany ilay vazaha dia notapahan’iray tamin’ireo olon-dratsy ohatry ny nanapaka vozona vorona ireny ny tendan’ity farany, ka maty tsy tra-drano.
Lasa nandositra niaraka tamin’ny finday sy valizy avy eo ireo jiolahy. Tsy fantatra anefa na ahoana na ahoana fa votsotra ny fatoran’ilay ramatoa rehefa nivoaka ny trano ireo olon-dratsy ary niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany izy. Tamin’ny fandosirana iny indrindra dia nifanehitra tamin’ireo polisy ny iray tamin’ireo jiolahy ka nosamborina ary natao famotorana. Nandritra izay indrindra no nahalalana fa zandary ity jiolahy ity fa mbola tsy fantatra kosa na mbola am-perinasa na efa nisotro ronono. Mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany tafatsoaka.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







