Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Mila sorona !

Be loatra ny zava-doza nitranga teto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ity taona ity. Niantomboka tamin’ireny loza-voajanahary namoizana ain’olona maro sy naharavana fananana ireny izany, nandalo ny hain-trano sy lozam-pifamoivoizana samihafa, ary niampy ireo vono olona nohon’ny asan-jiolahy. Tsy izany ihany anefa fa nitarika fahavoazana goavana ho an’ny vahoaka sy ny firenena ny fitokonana lavareny matetim-pitranga tetsy sy teroa. Ny vahoaka ihany no mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ireny tranga maro samihafa ireny.

Ny hita aloha dia vokatry ny fitavozavozana eo amin’ny fitantanana ny firenena no mahatonga ireny zava-doza, sy zava-dratsy maro samihafa ireny. Toa miandry ny vahoaka ho lasa sorona hatrany ny mpitondra vao handray fepetra. Efa mitranga ny loza, misy ny maty sy maratra, ary tsy hita pesipesenina ny fatiantoka vao mody mikoropaka maka fanapahan-kevitra.

Hita izany tamin’ireny tondra-drano nahatsiravina tamin’ny fiandohan’ny taona ireny. Efa hatramin’ny taon-dasa, mialohan’ny vanim-potoanan’ny orana no maro ireo nanaitra fa tokony havaozina ny tambazotra fanarian-drano maloto eto andrenivohitra. Tsy nisy nihaino izany,  ka ireny niaraha-nahita ireny ny vokany. Dibo-drano ny faritra iva ka an’aliny ny tra-boina. Simba avokoa ny lalana tsy ampy fikojakojana ary niitatra tamin’ny lafiny toekarena izany. Niakatra avokoa ny vidin’entana rehetra ka ny vahoaka ihany no sorona nianjadian’izany.

Mbola hita taratra ihany koa io fahataran’ny fandraisana fanapahan-kevitra io eo amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana. Ny mpanao gazety indray no lazaina fa manitatra rehefa mitatitra ny habibian’ny jiolahy sy ny dahalo manerana ny Nosy. Efa ny miaramila mihitsy no naripaky ny dahalo vao samy mikoropaka ny rehetra fa hay tena tsy azo ivazivaziana tokoa ireo olon-dratsy. Tsy nahomby ary tsy nandaitra ny fampiasana volabe amina miliara maro nanambatambazana ireo dahalo. Tsy nisy vokany ihany koa ny fandrafetana stratejia amin’ny alalan’ny fametrahana dina iadiana amin’ny dahalo. Ripaka ny vahoaka sy ny fananany saingy toa ataon’ny mpitondra fa tsy mitombina izany. Nony faranyanefa dia miaramila am-polony no lasa sorona nisy maty sy naratra vao samy miaky ny mpitondra ambony fa fahavalom-pirenena ny dahalo.

Mbola natao sorona ihany koa ny vahoaka amin’ity resaka delestazy lavareny ity. Efa hatramin’ny herin-taona ny rehetra no niantso vonjy tamin’ny fitondram-panjakana fa tena mafy ny fahatapahan-jiro ary misy fiantraikany goavana any amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fidiram-bolan’ny isan-tokan-trano nefa tsy hita izay vahaolana naroso teo. Efa ny jiron’ny minisitera mihitsy no notapahin’ny mpiasan’ny Jirama izay vao samy tonga saina hiroso amin’ny fitadiavana vahaolana miaraka ny tompon’andriakim-panjakana.

Mbola natao sorona ihany koa ny toe-karem-pirenena tamin’ny fanaovana tantely afa-drakotra sy fanjakazakana teo anivon’ny kaompania ana-habakabaka Air Madagascar. Efa amam-bolana no nangataka ny fanesorana tompon’andraikitra tsy mahomby ny mpiasa tao amin’ity orinasam-panjakana ity fa tsy nisy nihaino. Nihafara tamin’ny fitokonana lavareny izany ka nampikorosy fahana ny toekarem-pirenena indray. Tsy hita pesipesenina ny fatiantoka tamin’ny grevin’ny Air Madagascar izay vao nanapa-kevitra hanolo ireo mpitantana halam-bahoaka ny fitondrana.

Miandry sorona hatrany ny mpitondra eto amintsika vao mihaino sy mamaly ny hetahetam-bahoaka. Amin’izao fotoana izao aza dia ny praiminisitra sy ny governemanta mihitsy no mety ho lasa sorona raha raikitra ilay fifanarahana mikasika ny “mémorandum de stabilité” sy ny “pacte de responsabilité” eo amin’ny solombavam-bahoaka sy ny filoham-pirenena. Ny mahagaga ny maro amin’ity resaka ity dia ny fisisihan’ny fiadidiana hanatanteraka fifanarahana amin’ny solombavam-bahoaka nefa andrim-panjakana roa tsy tokony hanao izany mihitsy izy ireo. Miaro ny sezany tsy hiozongozona ny filoha dia ny governemanta izay hany rafitra tokana tena sahy mijoro amin’ny fiarovana azy no mety horavany. Tonga amin’ilay fitenenana hoe raha ho faty aho matesa rahavana.

 

Ravalo tsy Manana

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre