Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Ambilobe – Dahalo roa matin’ny fitsaram-bahoaka

Raha any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy matetika no hahenoana asan-dahalo hatramin’izay dia manjaka ihany koa ny halatr’omby any amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny amin’izao fotoana izao. Saika lasibatra avokoa ankehitriny ireo kaominina ambanivohitra sasany ao Ambilobe sy ny any amin’ny distrikan’Antsiranana II.

Vao mamisaflika ny kary ny talata lasa teo, maraina dia lehilahy telo no fantatra fa nandroba omby miisa folo tao amin’ny fokontany Ankaramy, any amin’ny lalana mandeha any Vohemar, afaka kely ny kaominina Betsiaka, distrikan’Ambilobe. Nitondra zava-maranitra ireo mpandroba ka tsy sahy nivoaka ny mpiandry vala sy tompon’omby fa niandry elaela vao namory vahoaka. Efa lasa lavidavitra izy ireo vao nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona ka raikitra ny fifanjevona raha vao nifanehitra ny roa tonta. Tsy nahatohitra ireo fokonolona marobe ny dahalo izy telolahy mpangalatr’omby ka matin’ny daroka ny roa ary tafatsoka kosa ilay fahatelo. Nohon’ny tsy fisian’ny zandary ao an-toerana dia ireo fokonolona ihany no nandray an-tanana ny fandevenana ireo olon-dratsy. Tafaverina soa aman-tsara ireo omby.

 

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre