Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Fanafihanao tao anaty delestazy – Mpiambina iray matin’ny mpangalatra

Nanararaotra ny fahatapahan’ny jiron’ny Jirama ny andian-jiolahy nanantanteraka ny asa ratsiny tao Anoronala, ao Ambilobe tampon-tanana, misy ny birao iasan’ny mpandraharaha amin’ny finday manao fandefasana sy fandraisana vola na “transfert d’argent”. Maizina tanteraka teny an-toerana no nigadona ny jiolahy miisa telo nitondra fitaovam-piadiana maranitra sy baramina saika hamohanan’izy ireo ny varavarana. Ny alin’ny zoma 28 aogositra hifoha sabotsy 29 aogositra manodidina ny 1ora maraina tany ho any no nisehoan’izany.

Mpiambina tokana, tovolahy 27 taona no tao an-toerana ka niakatra tany amin’ny rihana izy vao naheno ny fanafihana. Avy hatrany  anefa dia vono sy kapoka no nataon’ireo olon-dratsy azy. Novelesin’ireo olon-dratsy tamin’ny vy ny lohany ka nahazo ny karan-doha sy ny toerana misy ny tsoka any anaty lohany izany. Niady irery tamin’ireo olon-dratsy tao anatin’ny maizina ilay mpiambina nefa tsy nahatohitra fa tartry ny be noho ny vitsy. Nazeran’ireo mpandroba avy eny ambony rihana ka nidoboka tany antokontany izy. Mbola nahavita niantso vonjy anefa ka miambina magazay tao akaiky teo no nitondra azy tany amin’ny hopitaly fa ireo olon-dratsy tafatsoaka. Nohon’ny dona mafy nahazo azy anefa dia nodimandry ny alatsinainy teo ity farany.

Etsy ankilan’izay ihany koa dia miady amin’ny tompon’ilay orinasa amin’ny tambazotra serasera amin’ny fiantohana ny lany rehetra tamin’ny fitsaboana azy ny fianakavian’ny maty. Hatreto mantsy dia mbola ampaham-bola ihany no nomen’ilay tompona orinasa tamin’ny fitsaboana fa nasaina niandry ny faktiora ny fianakaviana anefa amin’ny tranga toy itony, rariny raha ny tompon’ny orinasa no mandray an-tanana ny fitsaboana noho ny fahavoazana nahazo azy am-perinasa.

 

Laurena Nany

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre