Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Vohémar – Mpitondra môtô maty tsy tra-drano

Nipitika avy eny ambony kodiaran-droa, nianjera tamin’ny tany sady voadona tamin’ny lohany ka maty tsy trano ny mpitondra kodiaran-droa iray sendran’ny lozam-pifamoivoizana. Ny alatsinainy teo nisehoan’izany tao amin’ny kaominina Antsaribaria, distrikan’i Vohémar,. Tamin’ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga dia nisy fiara Mazda iray mampitohy ny kaominina Ampanefena amin’ny tananan’i Vohémar nijanona teo amin’ny sisin-dalana tao Antsaribaria. Tonga avy ao aoriana avy eo ny môtô lehibe iray saika hisongona ilay fiara nefa nisy olona iray niampita ny arabe tampoka. Taitra ilay nitondra môtô aka tsy nahafehy ny familiana ary nipitika ka ny lohany no nitsatoka ny tany. Teo no eo ihany dia tapitra ny ainy fa ilay saika hiampita lalana kosa tsy naninona.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre