Ambohidratrimo – Zaza menavava natao anaty gony ary nariana amoron-dalana
Ny fikiakikan’ilay zaza menavava tao anaty gony no nanaitra ny mpandalo, tao Ambavarano, eny Ambohidratrimo ny harivan’ny alatsinainy teo. Taitra ireo mpandalo raha nanokatra ilay gony nifatotra ary nahita zazavavy kely sahabo ho roa volana monja. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany izy ireo ary nidina teny an-toerana ireto farany nijery ny zava-misy. Rehefa natao ny famotorana dia fantatra fa anahy iniana nariana teo amoron-dalana mihitsy ilay zaza. Nahitana lamba maromaro mantsy niaraka taminy.
Mbola velona soa aman-tsara ilay zaza tamin’ny fotoana nahitana azy. Tsy fantatra kosa ny nahavain-doza hatreto fa efa mandeha ny fanadihadiana. Mipetraka ny ahiahy mantsy sao dia ny reniny ihany no nahavita izao nanary zanaka izao ho hitan’ny olona ka tsy maintsy hisy handray sy hikarakara. ankoatra izany anefa dia manahy ihany koa ny mpitandro filaminana fa mety misy resaka hala-jaza ity raharaha ity naleon’ireo mpangalatra nanary ilay tsy manan-tsiny reehefa tsy nahita mpividy. Mandra-pahitana ny tena marina ity dia naterina eny amin’ny toby mitaiza zaza kamboty ilay zaza menavava.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







