Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Fantany ny kilema !

Jaban’ny vola! io ny kileman’ireo tompon’andraikitra sy teknisianina eto Madagasikara. Fantatry ny mpitondra tsara io zava-misy io ka araraotiny ho an’ny tombontsoany. Sarotra inoana nefa zava-misy ny toe-draharaha eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Hita fa nivadika tamin’ny heviny indray mantsy ny maro an’isa amin’ireo solombavam-bahoaka. Miroso tsikelikely amin’ny femetrahana ny maro an’isa parlemantera manohana azy ny fitondram-panjakana foibe. Ireo depiote ireo ihany anefa no niray petsapetsa tamin’ny fikasana hanongana ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra. Raha tsy teo ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana dia efa rava ity fitondram-panjakana ankehitriny ity satria efa naloan’ny solombavam-bahoaka. Mahagaga anefa fa ireo nanongana indray no misisika mitady fifanarahana amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Na ilay maro an’isa efa nipetraka teny Tsimbazaza aza dia efa manomboka miparitaka ka nivadika ho mpanohana ny tetikasan’ny filoha ny sasany. Mandeha avy hatrany ny resaka fa nisy fanambazana vola aman-karena tany ambadika tany matoa nivadi-belirano toy ny fanaony ireo solombavam-bahoaka. Tsy mahagaga raha miahiahy ny rehetra satria tsy misy mihitsy ny mangarahara eo amin’ity resaka fifanarahana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena sy ny fiadidiana ny Repoblika ity. Nilaza fa nahazo ny sonian’ny maro an’isa ilay antontan-taratasy “mémorandum” norafetin’ny prezidansa nefa betsaka ihany koa ny solombavam-bahoaka nilaza fa tsy nahita izany ary tsy mahafantatra velively izay tena vontoatiny. Izany hoe tena nanjakan’ny kitranoantrano ny raharaha satria nafenina ireo sahy miteny ny tsy mety ilay antontan-taratasy.Voailika amin’izany ny Mapar sy ny Tim izay tsy manaiky lembenana amin’ny didy jadona sy ny fanambatambazana samihafa. Izany hoe ny vahoaka nifidy ireo parlemantara ireo mihitsy no atao tsinontsinona amin’ity raharaha ity.

Hitan’ny mpitondra ny fahalemen’ny depiote sasany. Tambazana tombon-tsoa samihafa dia miova hevitra. Tsy vao izao fa efa hatramin’ny nitsanganan’ny Antenimieram-pirenena mihitsy no nanaovan’ny governemanta kilalao ny fahefana mpanao lalàna. Na dia teo aza ny fihetsiketsehana maro samihafa dia lany madiodio tao Tsimbazaza avokoa sy volavolan-dalàna rehetra naroson’ny governemanta. Karazan’ny sinema sisa ny fijerin’ny vahoaka ny fihetsiketsehana rehetra niainga tao amin’ity lapam-panjakana noheverina fa hijoro ho aro riaka manoloana izay mety ho fihoaram-pefy rehetra ataon’ny governemanta. Misy tokoa ary tsy vitsy ireo dipiote tena sahy mijoro amin’ny heviny ary tsy azo ahodinkodina nefa mbola maro ihany ireo malemy manoloana ny menamiraviravy sy manao ny tia kely ka mora tambazana amin’ny patsa in-dray mahandro.

Tena asehon’ny fitondrana foibe fa voafehiny tanteraka ny solombavam-bahoaka ary tsy maintsy misy maro an’isa manaraka ny sitrapony rehefa tambazany kely. Niaraha-nahita izany fa tsy niafina tamin’ilay fikasana hanongana ny praiminisitra sy ny governemanta. Nidinan’ny minisitra vitsivitsy tao an-dapany mihitsy ny Antenimieram-pirenena ary natrehin’izy ireo mivantana ny fivoriana miampy tsangan-tanana ho fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra. Nandritra izany dia naintsoan’ny minsiitra hafa mpanao gazety mihitsy ny fivoriana hitazomana solombavam-bahoaka tany amin’ny toeram-pisakafoanana sy fisotroana mba tsy hanatrika ny tsangan-tanana ao Tsimbazaza. Noporofoin’ny governemanta fa mbola manjaka ny herin’ny vola ary milefitra manoloana izany hatrany ny solombavam-bahoaka eto amintsika. Io indray izao dia misy maro an’isa vaovao nilaza fa nanao sonia ny fifanarahana amin’ny fiadidiana ny Repoblika mba tsy hanelingelenana ny

Filoha amin’ny toerany mandra-pahatapitry ny fotoam-

pitondrany. Izany hoe afaka manao izay danin’ny kibony ny Filoha rehefa vita sonia ny fifanarahana amin’ireo depiote satria tsy hisy na iza na iza afaka ny hiteny sy hanitsy azy amin’izay tsy mety eto amin’ny firenena. Tongo-bakivaky ka sady maharary no manamenatra ny fihetsik’ireo mirehareha ho olom-boafidy.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre