Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Nivadika ny fiara – Nangalarin’ny mpamily ny volan’ny mpandeha

Hafa mihitsy ny tao an-dohan’ny mpamily fiara vaventy iray nivadika tao amin’ny fokontany Andampy, ao tampon-tananan’i Antalaha, omaly maraina tamin’ny 6ora tany ho any. Vantany vao nivadika mantsy ny kamiao lehibe nitondra hazo noentiny dia ny hangalatra ny volan’ny tompon’ny entana avy hatrany no masaka tao an-dohany. Nohon’ny olana ara-teknika dia nihemotra ilay fiara ary nivadika avy eo. Araka ny fantatra dia lany « vitesse » ny fiara ka tsy afa-niroso intsony nefa tsy voatazoin’ny hisatra ihany koa. Tsy ny hamonjy ny fiara noentina sy ireo olona telo naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana anefa ny nahamaika azy fa ny hangalatra ny vola 400 000 Ariary mahery tao anatin’ny kitapo kelin’ilay tompon’ny hazo noentiny ary nandositra izy.

Rehefa nandeha kelikely anefa ny fotoana dia tsaroan’ny tompon’entana ny tsy naha-teo ny volany ary rehefa notadiavina ilay mpamily dia nanjavona ihany koa. Nanararaotra ny fizahana nataon’ny polisy noho izany ity farany nampilaza ny fahaverezan’ny volany sy ny ahiahiany momba ilay mpamily. Rehefa natao ny fikarohana azy dia tratra omaly ihany izy niaraka tamin’ilay kitapom-bola. Efa eo ampela-tananan’ny polisy ilay mpamily mpangalatra.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre