Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Maloto Mahajanga – Mahatratra 80 taonina isan’andro ny fako

Manoloana ny tsy fanarahan-dalàna sy fiparitahan’ny fako ao Mahajanga dia fantatra fa mahatratra 80 taonina isan’andro ny angonin’ireo kamiao mpaka izany any an-toerana. Ny olana anefa dia roa ihany ireo kamiao mitatitra izany mankany Mangatokana, toerana iray izay hivangongoan’ireo fako rehetra ao Mahajanga.

Nanazava ny tompon’andraikitra ao amin’ny fiadidiana ny tanàna fa ankoatra ny tsy fahampian’ireo fitaovana entina miasa dia mbola olana eo amin’ny fanangonana ny fako ihany koa ny tsy fandraisana andraikitry ny tsirairay. Nampahafantarina fa tokony hangonina ao anaty gony iray ireo fako raha toa ka feno ny toerana voatokana hametrahana ireo azy ireny. Izany no natao dia mba hanamorana ny fanangonana ireo fako. Natao isa-maraina aorian’ny amin’ny 7ora noho izany ny fanangonana azy. Efa misy lamina napetraka ka ho an’ny olona tsotra dia amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 4 ora maraina, hatramin’ny 7ora maraina kosa ny an’ireo mpivarotra, ary hatramin’ny 10 ora maraina ny an’ireo mpanangona ny fikirakirana ny fako.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre