Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Nifanehatra tamin’ny dahalo – Azon’ny zandary ny kalachnikov roa

Teny an-dalana handeha hanafika ireo andian-dahalo no sendra ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena izay manao fampandrian-tany. Raikitra ny fifandonana ka rehefa voa teo amin’ny feny ny iray tamin’ireo jiolahy dia tavela teo ny basy kalachnikov roa satria nitsoaka ity farany ka tafaporitsaka niaraka tamin’ireo namany.

Voalazan’ny lehiben’ny fileovan’ny zandary any an-toerana fa antony somary nanahirana azy ireo tamin’ny fanenjehana ireo dahalo ny fahamaroan’ny olona. Ny faran’ny herinandro lasa teo no nisehoan’ity tranga ity tao amin’ny kaominina Antanandava ao anatin’ny tapany avaratr’Ambatondrazaka.Marihina fa tsy vao izao akory no nisian’ny fanafihan-dahalo tany an-toerana sy ny manodidina araka ny nambaran’ireo mponina fa efa matetim-pitranga ka anisan’ny lasibatra matetika amin’izany ny omby izay miantoka ny fiveloman’ny olona. Nangataka ny mba hampitomboana ireo fitaovana enti-miaro ny fandriam-pahalemana toy ny môtô na ny fiara ny lehiben’ny fileovan’ny zandary mba hahafahan’izy ireo manafaingana sy manamora ny fahazoana ireo olon-dratsy.

Ange R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre