Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Niharan-doza ry Black Nadia – Maty tsy tra-drano ny mpamily

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Brickaville omaly alakamisy 3 septambra, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina. Fiara mpanao fitaterana, no nidona tamin’ny kamiao iray nijanona teo amin’ny sisin’arabe, toerana 16 kilaometatra tsy ahatongavana amin’ny tanànan’Brickaville. Vokatry ny dona mafy nihatra tamin’io fiara Sprinter io, dia namoy ny ainy ny mpamily antsoina hoe Randimbison Christian Flobert, 40 taona, nitondra izany fiara izany rehefa tonga teny amin’ny hopitaly Brickaville.

Nofain’ny tarika Black Nadia ho any Toamasina ity fiara sprinter ity ary niala tao Antananarivo ny harivan’ny alarobia 2 septambra 2015, ka olona sivy no naratra tao anatiny. Tsy naninona kosa ny lehiben’ny tarika,  dia ny mpanakanto Black Nadia. Marihina fa tao anatin’ity herinandro ity dia lozam-pifamoivoizana roa samihafa no niseho tao Brickaville, ka ny iray voalohany ny marainan’ny alatsinainy 31 aogositra lasa teo, ity faharoa indray ny alakamisy 3 septambra 2015. Ireo fiara niharan-doza dia samy marika Mercedes Sprinter mpanao fitaterana mpandeha avokoa, ary ny mpamily hatrany no nindaosin’ny fahafatesana tamin’izany.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre