Ankeniheny Zahamena – Potiky ny mpitrandraka « rubis » ny faritra arovana
Ao anatin’ny faritra arovana ao Ankeniheny Zahamena no misy ny karieram-bato izay ifanotofan’ireo mpitrandraka manerana ny lafivalon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Tonga ao Ambatondrazaka avokoa ankehitriny ireo mpanao vato efa fanta-daza sy mpanenjika kariera. Misy ireo mirotsaka an-tsehatra mivantana amin’ny fitrandrahana ary tsy vitsy ihany koa no manakarama olona amin’izany. Efa ho roa volana teo ho eo izay no nanomboka nahitana ny fisian’ny vato any an-toerana ary efa nisy ny firotsahana an-tsehatra notontosain’ireo mpitandro filaminana fa tsy nahasakana ireo mpitrandraka izany izay mitombo isa andro aman’alina. Marihina fa ny vato « rubis » no voalaza fa hita any an-toerana izay ao Ankosy no misy azy ary efa maro no nahazo tsara kalitao tamin’izany. Raha tany amin’ny taona 2012 no nisian’ny safira tany amin’ny karieran’i Didy dia izao niverina izao indray ny lazan’Alaotra amin’ny alalan’ny « rubis » izay mampifanaretsaka ny maro.Saika feno olona avokoa ireo trano fandraisam-bahiny vokatr’izany. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra maty paika mahakasika izao tranga izao dia atahorana ny haharingana tanteraka ny faritra arovana ao Alaotra.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







