Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Anosivavaka – Nanatsatok’antsy ilay mpangalatra akoho

Omaly tokony tamin’ny 5ora maraina iny no nisehoan’izany tetsy Anosivavaka. Jiolahy iray no fantatra fa niditra an-tsokosoko tao an-tokantranon’olona iray teny an-toerana ary nanao hala-botry. Tany an-dakozia avy hatrany no novantanin’ilay mpangalatra naka ny vilany sy akoho iray tao. Izy nibeda iny akoho iny indrindra anefa dia nikikiaka ity vorona ity ka henon’ilay tovolahy mipetraka tao. Nifoha ity farany nandeha nijery ny zava-misy ka tra-tehaka teo ilay olon-dratsy. Nandositra avy hatrany ilay mpangalatra ka nenjehan’ilay tompon-trano. Rehefa nihazakazaka teny dia tratran’ilay tovolahy ihany ilay jiolahy ka raikitra ny ady teo amin’ny roa tonta. Rehefa tsy naharesy ilay tovolahy  ilay mpamaky trano  dia namoaka antsy lavalela ary raha notsatohany teo amin’ny fony ilayt mpanenjika saingy ny sandriny no voa. Nanohy ny diany niaraka tamin’ireo entana nangalariny kosa ilay olon-dratsy rehefa naratra ilay lasibatra.

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre