Mila fanavaozana!
Misambaoravoara indray ny resaka tsy fitovian-kevitra eo anivon’ny samy mpitandro filaminana taorian’ilay fisamborana niampy herisetra nihatra tamin’ny mpianatra mpitarika fihetsiketsehana teny Ankatso. Manao ranolava ny fanambarana sy fanazavana ara-teknika ny tsy mampety ireny hersisetra ireny. Ankoatra ireo mpiantsehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona dia milaza ny heviny, ihany koa, ireo miaramila sy polisy ary zandary efa nanana andraikitra ambony teto amin’ny Fanjakana. Samy manakiana iny herisetra iny avokoa izy rehetra. Misy ihany koa ny zandary mbola amperin’asa ary efa fanta-daza tamin’ny hetsika fiarovana ny fitondram-panjakana notohanany no manakiana iny zava-nitranga teny Ankatso iny.
Na ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena aza dia niaiky fa nisy ny fihoaram-pefy ary tsy maintsy hisy ny fanadihadiana lalina sy ny sazy. Ilay zandary anisan’ny tompon’andraikitra nitarika ny Emmoreg teny Ankatso koa dia nahita fa nisy ny tsy ara-dalàna tamin’ny fikasihan-tanana matoa nandray ny andraikiny nanakana sy nanosika ireo namany tsy hanohy intsony ny daroka.
Gravy iny zava-nitranga iny, hoy ny rehetra, ary nahitana soritra fa mbola misy fofompofona hery famoretana ny mpitandro filaminana sasany eto amintsika. Tsy sambany rahateo no nisy fihetsika mihoam-pefy, toy ireny, fa efa nahazatra hatramin’izay. Mandainga izay mpitondra nifandimby teo ka sahy milaza fa tsy nampiasa ny mpitandfo filaminana ho hery famoretana. Manao ririnin-dasa tsy tsaroana ihany koa izay tompon’andraikitra efa nisahana ny fandriam-pahalemana taloha ka sahy milaza fa tsy nampiasa hery tamin’ny sivily ireo teo ambany fibaikoany.
Tantara efa nivalona anefa ireny saingy kosa natao hakana lesona hisorohana ny fihoram-pefy amin’ny ho avy. Izany rahateo no nahatonga ny vahoaka hifidy hatrany ny fiovana satria mila ny tsaratsara kokoa. Raha ireny zava-nisy teny Ankatso ireny mantsy no tarafina dia ahiana ny hiverenan’ny vono olona toy ny nitranga tamin’ny 10 aogositra 1991 sy 7 fenoary 2002. Eny Ankatso, ao anatin’ny faritra arovan’ny “franchise universitaire” ary ny mpianatra voatifitry ny baomba mandatsa-dranomaso, ary nosamborina sy nodarohana, maika izany raha misy vahoaka manao fitakiana manantonantona ny faritra mena toy ny eny Iavoloha sy Ambohitsorohitra.
Anisan’ny Fanjakana azo sokajiana tsy refesi-mandidy sy mpanampim-bava ny vahoaka tsotra ity mijoro ankehitriny ity satria voarara hatrany ny fidinana an-dalam-be eto amintsika. Na hetsika sendikaly izany na ihany koa hetsiky ny olom-pirenena tsotra dia efa ny hery famoretana no maro an’isa tonga eny an-toerana amin’ny basy sy baomba mandatsa-dranomaso ary ny kibay. Lazaina hatrany fa mikasa ny hanongam-panjakana izay rehetra mitaraina nohon’ny hamafin’ny fiainana sy ny antsojay samihafa mianjady amin’izy ireo.
Na ny mpitandro filaminana aza sahirana satria, ny miaramila sy polisy ary zandary tokony hisahana ny fandriam-pahalemana, lasa voatazona hanatevin-daharana ny Emmoreg izay hita fa tena miasa bebe kokoa amin’ny fiarovana ny andrim-panjakana. Baiko no azon’ny mpitandro filaminana ary matoa izy ireo mihoam-pefy dia efa misy tsy zakany ao. Lasa ny sivily sy ny mpitandro filaminana no mifandramatra nefa ny mpitondra Fanjakana no tsy mahay mitantana.
Tsy mbola nisy mihitsy ady mivantana nampifanandrina ny sivily tamin’ny polisy na miaramila na zandary fa matoa raikitra ny fifandonana dia vokatry ny fitakian’ny vahoaka na sendika na fikambanana zavatra min’ny fitondram-panjakana. Ny fandefasana mpitandro filaminana hanao hery famoretana hatrany no mba setrin’ny fitakiana ka izay no mahatonga ny fifandonana.
Mody fanina sy mihodinkodina fotsiny avy eo ny mpitondra Fanjakana rehefa miseho ny olana goavana toy ireny herisetra natao tamin’ny mpianatra ireny. Raha ny tokony ho izy dia ny Filoham-pirenena mihitsy no miakatra eny Ankatso miresaka mivantana amin’ireo mpianatra mpanao fitakiana sy mitondra vahaolana haingana mba hisorohana ny hiverenan’ny herisetra. Mila fanavaozana ny fomba fiasan’ireo mpitondra fa tsy mialokaloka ao ambadiky ny fandefasana hery famoretana fotsiny.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







