Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Seloky katolika – Niofana momban’ny fitsinjovana ara-tsosialy

Misongadina hatrany ny mpianatra mandranto fianarana eny anivon’ny sekoly katôlika. Antony mahatonga ny fahazoana vokatra tsara, hoy Mompera Ranaivoson Jules tale nasionalin’ny sekoly katôlika ny fahazoan’ireo mpampianatra sy ny mpanabe ny fiahiana ara-tsosialiny satria rehefa mahazo fanampiana izy ireo dia mazoto miasa. Izay indrindra no nahatonga ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo anivon’ny sekoly katôlika manerana ny Nosy sy ny CNaPS na ny tahirim-pirenena.

Nanomboka ny alatsinainy 31 aogositra lasa teo ary nifarana ny alakamisy 03 septambra  tetsy amin’ny Falda Antanimena ny atrikasa nasionalin’ireo talen-tsekoly rehetra ao anatin’ny Diosezin’Antananarivo. Lohahevitra ny hoe : « Sekoly katôlika miatrika ny ireo zo sy ny fitsinjovana ara-tsosialy ». Ny roa andro voalohan’ny atrikasa dia natokan’ny CNaPS nampahafantarana bebe kokoa mikasika ny atao hoe Fiahiana ara-tsosialy, ary ireo pitsopitsony sy ny dingana arahina amin’ny fahazoana fanampiana eny anivon’ny Tahirim-pirenena. Nahatratra 176 ireo talen-tsekoly tonga niofana tetsy amin’ny Falda Antanimena raha toa ka miisa 600 ireo sekoly katôlika miparitaka manerana ny diosezin’Antananarivo. Mbola misy moa ny dingana faharoa amin’ny fiofanana amin’ny herinandro ambony.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre