Lozam-pifamoivoizana – Niharan-doza ny tarika Laurent Rakotomamonjy
Mbola tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny ihany no nisehoan’izany ary roa kilometatra tsy hiditra ao Antsapanana. Nidona tamin’ny fiara vaventy semi-remorque ny fiara nitondra ny tarika Laurent Rakotomamonjy rehefa tonga tamin’ilay toerana voalaza etsy ambony. Resi-tory ny mpamily araka ny vaovao voaray. Vokatry ny dona mafy loatra, olona roa naratra mafy fa tsy nisy kosa ny aina nafoy. Nentina tao amin’ny hopitaly Brickaville avy hatrany ireo niharan-doza mba hahazo fitsaboana. Tsy misy ahiana kosa ny toe-pahasalaman’ireo naratra araka ny filazan’ny mpitsabo nandray azy ireo.
Tao anatin’ny herinandro monja dia nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny ary manakaiky ny tananan’i Brickaville harany no nisehoan’izany. Raha tsiahivina dia mpamily miisa roa no maty tsy tra-drano tamin’ireo toerana ireo. Ny iray niseho tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa iny ary ny iray kosa namarana ny herinandro dia ilay fiara nitondra ny tarika Black Nadia.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







