Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Toliara – Tsy tokony hiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy ny mpitandro filaminana

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ao Toliara tampon-tanàna tato ho ato, indrindra taorian’ny namonoan’ireo jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana mpandraharaha iray tao amin’ny fokontany Mahavatse I, izay nahatara ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana, ka nampamaivay mafy ny fanakianana an’ireo bebaoty, dia hentitra ny Préfet-n’i Toliara, Andrianjafiniaina Lahiniriko Edouard, tompon’andraikitra voalohany amin’ny filaminam-bahoaka, nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety notontosaina teny amin’ny lapan’ny faritra Atsimo Andrefana, Mitsinjo Betanimena, ny herinandro iny, niarahana tamin’ireo manam-pahefana mpitondra ao Toliara nahitana ny lehiben’ny Faritra Dr Razafitasondry Marcellin, ny lehiben’ny distrikan’i Toliara II ary ny filohan’ny delegasionina manonkan’ny tanànan’i Toliara, fa “ tsy tokony hiray tsikombakomba na tendro amin’ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana, fa natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ”. Nanentana ny vahoaka ho tony hatrany, ireto solontenam-panjakana ireto, ary hiara-misalahy ny rehetra amin’ny famongorana ny ratsy, ka hampilaza amin’ny filohan’ny fokontany na ny mpitandro ny filaminana rehefa misy na mahita olona mampiahiahy mandalo eny amin’ny fokontany.

Eric Toliara

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre