Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Antalaha – Tovolahy maty nopoizinin’ireo namany

Resaka fialonana no fantatra fa nahatonga ny loza. Niaraka nisotrosotro tamin’ny namany izy no nasian’ireo namany poizina ny toaka nosotroiny. Ny alin’ny alarobia 2 septembra teo no nisehoan’izany tao amin’ny trano fisotroana iray, ao an-tampon-tanana’Antalaha. Fito lahy izy ireo no niaraka tamin’izany ary rehefa nandeha nivoaka kely iny ilay tovolahy dia nohararaotin’ireo namany nasiana solika fampiasa amin’ny fiaramanidina ny toakany. « Ilay tovolahy dia tsy nanam-po na inona na inona fa avy hatrany dia nisotro ary tsy ampy dimy minitra akory dia efa nidaraboka tamin’ny tany sady nivoaka zavatra fotsifotsy ny vavany», hoy ny fanambaran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nentina tao amin’ny hopitalibe any an-toerana ilay tovolahy nefa tsy tana intsony ny ainy rehefa tonga kelikely.

Noraisim-potsiny ireo tovolahy namany rehefa namoy ny ainy izy. Taorian’ny filazan’ny mpitsabo mantsy fa maty nisy nanapoizina ilay zazalahy dia nipetraka avy hatrany ny ahiahy tamin’niaraka niaraka taminy farany. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ny havan’ny maty ary nosamborina ireo enin-dahy namany. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia niaiky heloka ny iray raha toa ka nanda hatramin’ny farany ny dimy ambiny. Nogadraina avy hatrany ireo namana mpamono olona mandra-piandrasana ny fitsarana azy ireo rahampitso talata 8 septembra.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre