Niantso vonjy amin’ny vahiny
Tsy nipetra-potsiny ny praiminisitra manoloana ny tsikombakomba ketrehin’ny solombavam-bahoaka sy ny fiadidiana ny Repoblika hanonganana azy.Tsy nijanona teto an-toerana rahateo izy fa nandeha niantso vonjy sy fanampiana tany ivelany. Tany Frantsa ary niaona tamin’ny tompon’andraikitra frantsay sy ny praiminisitra izy tamin’ny herinandro iny. Vao tafaverina an-tanindrazana ny praiminisitra malagasy dia nanao fihavin’ny vonon-kiady ka namariparitra ny vokatra noheveriny fa azo tany an-dafy tany. Raha fintinina dia nanamafy ny praiminisitra fa ho avy ny mpanohana vahiny eo amin’ny asa fampandrosoana. Izany hoe na tsy nolazainy mivantana aza dia te hanindry izy fa fepetra goavana takian’ny mpiara-miombon’antoka vahiny ny hitazomana ny tenany eo amin’ny toeran’ny praiminisitra.
Hita fa tsy hanaiky gisitra ary tsy hanaiky hiala mora amin’izao ny praiminisitra raha misy ny fikasana hanolo azy. Lavitr’ezaka rahateo ny fikasany hijanona eo amin’ny toerany satria efa manatsidika sahady izy fa any amin’ny fiandohan’ny taona ho avy any vao ho avy avokoa ny famatsiam-bola rehetra. Izany hoe tsy mivonona ny hiala aloha izy hatreto.
Ho sahiran-tsaina ny filohan’ny Repoblika raha ny zava-misy ankehitriny satria andaniny ny governemanta tsy manaiky ny ho soloina, ankilany ny solombavam-bahoaka miandry fatratra ny fizarana seza amin’ny toeran’ny minisitra sy ny praiminisitra. Main’ny afo nantsangany ihany ny fiadidiana ny Repoblika tamin’ny fametrahana ny “pacte de résponsabilité” sy ny “mémorandum” satria tsy ho mora ny hanatanteraka izany ary hiteraka fahavalo vaovao ho azy ireo indray avy eo.
Raha tahiny ka tsy raikitra ny fanasoniavana ireo antontan-taratasy fifanarahana amin’ny solombavam-bahoaka ireo dia inoana marimarina fa hiverina ny fitsipaham-pitokisana raha vao mitsidika eo ny fivoriana ara-potoana manaraka eny anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Raha marina ihany koa ny fanazavana rehetra nentin’ny praiminisitra avy any ivelany dia mazava fa tsy hanana fahefana hanala ny jly Jean Ravelonarivo eo amin’ny toerany ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Manana ny tanjany rahateo ny praiminisitra raha ny fanohanan’ny iraisam-pirenena satria ankoatra ny maha-olon-dRatsiraka azy dia tohanan’ny Rotary Club International, izay manana olom-panjakana ambony amin’ny governemanta rehetra manerana an’izao tontolo izao izy.
Mazava be toy ny masoandro be lohataona ny tetikadin’ny praiminisitra naka fanohanana avy ivelny mba hiarovany ny toerany. Tsy hanaiky ny hatao sorona amin’izany fifanarahana eo amin’ny filoha sy ny solombavam-bahoaka izany izy.
Raha ireo zava-misy ireo no zohina dia hita fa miverina hatramin’ny voalohany indray ny toe-draharaha politika misy eto amintsika. Tsy manana fahefana ary tsy sahy ny handray andraikitra hanolo ireo manodidina azy ny filohan’ny Repoblika na dia mahita aza fa anisan’ny fepetra takian’ny filaminana sy ny firosoana amin’ny asa fampandrosoana izany. Mazava ho azy fa disadisa lava sy tsy hisy fampandrosoana vanona eto amin’ny firenena.
Ireo zava-misy ireo anefa no mahatonga ny vahoaka ho tofoka amin’ny fitondram-panjakana mijoro ary miteraka fitokonana sy fitakiana maro samihafa etsy sy eroa. Sarotra ny toe-draharaha ary raha izao zava-misy izao no dinihina dia kely ny fanantenana fa hahavita hanatanteraka ny fampanantenany rehetra tamin’ny fotoanan’ny praopagandy ny filoha amperin’asa. Lasa resaka ambony latabatra sy kabary tsy valina sisa ny fampandehanana ny firenena fa tsy mba misy vokatra azo tsapain-tanana misy fiantraikany tsara any amin’ny fiainam-vahoaka mihitsy.
Ny antso vonjy amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena sisa fara-fanantenana ho an’ny filoha. Mbola any ankibon’ny omby anefa izany ary mbola valala an-danitra tsy azo asiana sira. Tsy misy porofo sy antoka mazava rahateo fa raha hanome vola ny FMI dia handroso ny firenena. Dia aiza indray ny hiantso vonjy rehefa tsy mahomby io?
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







