Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Antalaha – Rangahy 72 taona hita faty tanaty lavan-drano

Tsy fantatra mazava hatreto na latsaka tsy nahy na nisy nandatsaka tao anaty lavan-drano ny rangahy iray 72 taona fa efa ny fatiny no hitan’ny fokonolona tao anatin’izany fakana rano izany, izay ao amin’ny tokontaniny ihany.  Sendra olona handeha hantsaka rano vao maraina no nahatsikaritra ny razana ny sabotsy teo, tao amin’ny fokontany Antsonasona, an-tampon-tananan’i Antalaha. Nijoro tsara tao anaty lavan-drano ny vatany tamin’ny fahitan’ny olona azy. Taitra tampoka ity farany raha nahita izany ka nikikiaka mafy. Vory lanona teo ny fokonolona ary akory ny hagagan’ny rehetra nahita izany ka nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany.

Mipetraka irery rahalehilahy araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao. Ny alin’io dia mbola hitan’ny olona izy. Tamin’ny fizahana ny tranony dia nidanadana be ny varavarany ary mbola nijanona teo ivelan’ny tranony ny vilany nandrahoana sy ny fatana. Ahiana noho izany ny mety ho naha-latsaka io rangahy be io tao am-bovo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre