Andavamamba – Nandositra ilay fiara nandona ankizy
Tovolahy 14 taona iray no naratra mafy nodomina fiara teny Andavamamba ny sabotsy maraina teo. Toy ny fanaony isaky ny sabotsy maraina dia mandeha mihazakazaka miaraka amin’ny andian-tanora eny amin’iny faritra iny ity tovolahy ity. Rehefa niampita lalana anefa ry zareo dia nisy fiara nirimorimo be avy any ka voadonana ilay tovolahy kely raha toa ka efa tafampita daholo ireo namany. Nohon’ny dona mafy be nahazo azy dia nipitika roa metatra niala ny toerana nisy ny loza izy ary torana tsy nahatsiaro tena. Tsy nijanona ilay fiara fa lasa nadositra ka ireo namany avy eo no nifarimbona nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana.
Rangahy iray 40 taona ihany koa no namoy ny ainy ny alin’ny zoma teo nohon’ny lozam-pifamoivoizana hatrany, teny Avaradrano. Kamiao no nandoana azy teny amin’ny sisin-dalana. Tsy nijanona ihany koa ilay mpamily fa nanohy ny diany hatrany. Ireo mpitandro filaminana nahita ny fitrangan’ny loza no nitondra ilay lasibatra teny amin’ny hopitaly nefa nohon’ny dona mafy nahazo azy dia maty tsy tra-drano izy. Efa mandeha ny fikarohana ilay kamiao.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







