Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Halatra – Mitaiza kely nangalatra ny entana iray trano

Tao Tsaramandroso, any Mahajanga no nitrangan’izany ny harivan’ny zoma teo. Vehivavy iray monina ao amin’ny toerana voalaza etsy aloha no fantatra fa nampiantrano vehivavy iray hafa mitaiza kely izay nilaza fa nisara-bady avy any Amparihilavan’i Marovoay. Nilaza ity farany fa tsy mahita aleha izy mianaka fa lavitra ny misy ny fianakaviany. Nitsetra azy ilay ramatoa tompon-trano ka nandray azy nipetraka tao aminy. Tsy ampy herinandro akory anefa dia zavatra hafa no nitranga satria vao tsy teo ny tompon-trano dia lasan’ilay vahiny avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Hatairana tsy nisy toy izany ny an’ny tompon-trano raha nahita ny tranony bambangona tamin’ny fiverenany.  Tokony hitandrina tsara ny rehetra fa miha mitombo hatrany ny hevi-petsin’ny olona mpangalatra sy mpisoloky amin’izao fotoana izao. Tsara hohadihadiana ihany koa ny momba izay olona ampidirina an-trano mba hisorohana ny loza tahaka izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre