Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

« THB Tour » – Tovolahy iray maty voatsindrona antsy

Raha nilamina tsara ny andro voalohany tamin’ny hetsika « THB Tour » tao Mahajanga, izay notanterahana teny amin’ny Bord dia nosembanin-drahona izany ny andro faharoa, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fampisehoana nataon’i Stéphanie. Amin’ny maha hetsika « THB Tour » azy mantsy dia ny fisotroana ataon’ireo mpisotro labiera no tanjona. Betsaka anefa ireo tsy mahazaka mamo ka mitarika ady. Raikitra, noho izany, ny savorovoro tamin’ireo mpisotro labiera izay niafara tamin’ny daroka seza sy toraka tavoahangy. Nanapy trotraka ihany koa ny ady teo amin’ireo tanora mpanatrika lanonana, izay tsy nifandray hevitra. Vokany, tovolahy iray no maty voatsindrona antsy sy vely tavoahangy. Voa teo amin’ny saro-pady mantsy izy ka nitarika ny famoizana ny ainy. Araka ny vaovao voaray, tsy anisan’ireo niady ilay tovolahy fa kosa nanasaraka sy nandamina ireo olona niady, kinanjo izy indray no nifoteran’ny hatezeran’ireo niady. Niezaka nanavotra azy ihany ireo olona nitondra azy tany amin’ny hopitaly fa teny an-dalana dia tapitra ny ainy. Fantatra fa tanora avokoa ireo nanakorontana tao amin’ity hetsika ity.

L.N.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre