Faty teny Anjanahary – Ny vadin’ilay vehivavy ihany no nahavanon-doza
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ilay razana hita teny amin’ny fasam-bahiny Anjahary dia fantatra fa ny vadiny ihany io nahavita nandatsaka ny ainy. Ny 3 septambra lasa teo no tonga nametraka fitoriana teny amin’ny boringady misahana ny heloka bevava ny fianakavian’ny maty ka niantefa tany amin’ilay rangahy vadiny ny ahiahin’izy ireo. Araka ny fantatra mantsy dia efa nisy fotoana tonga nitsidika an’ilay lehilahy ny zanany izay mipetraka any amin’ny renibeny. Tamin’ny fotoana nahatongavan’io zaza io tao dia vaky nandositra ny rainy ka nahagaga azy izany fihetsika izany. Rehefa niditra tao an-trano ity farany dia nahita piti-dra. Ny 4 septambra maraina dia nidina teny amin’ny trano fonenan’ilay rangahy teny Nanisana ny polisy.
Tamin’ny fizahana natao tao an-tranon’izy mivady dia nahitana dian’ilay ra teo amin’ny rindrina sy tamin’ny fanaka ary ny vatan-kazo sy lambam-baravarana izay nezahana nokosehina. Hita tao koa ny tapak’ilay tady namatorana ilay bodofotsy namonosana ny faty izay tadim-damba an-dry zareo tao ihany. Araka ny fantatra, tsy salama saina tsara io lehilahy io ary efa notsaboina teny Anjanamasina. Raha tsiahivina dia nahitana fatina vehivavy mifono bodofotsy natsipy teny amin’ny fasam-bahiny ao Anjanahary ny marainan’ny 23 aogositra lasa iny. Nahitana dian’antsy ny teo ambany heliny sy ny tendany tamin’ny fizahana nataon’ny polisy sy mpitsabo tamin’ izany fotoana izany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







