Ambato Boeny – Rakotra trano ny tanin’ny minisiteran’ny Fiompiana
Nisy nanorina trano avokoa ny tanin’ny minisiteran’ny Fiompiana any Ambato Boeny izay mirefy 30 hekitara eo ho eo. Toerana kely fanaovan’ny mpianatra fanatanjahan-tena sisa no tavela. Tany efa vita baorina tanteraka izy io no nidiran’ny olona tsikelikely raha vao lasa ilay vazaha mpitantana tao. Araka ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra any an-toerana izay miasa sy monina ao dia na ny tranon’izy ireo aza dia efa tsy misy tokontany intsony fa rakotra tranon’olona tsotra manodidina azy. Ny tena loza anefa dia tsy vitan’ny mamaritra tany sy mano-
rin-trano ireo olona ireo fa mbola mivarotra aman’olon-kafa ihany koa.
Tsy maintsy hisy anefa ny fifampiresahana eo amin’ny samy minisitera, ho fandaminana mikasika ireo vahoaka izay efa manorim-ponenana eo amin’io toerana io. Nilaza ny handray andraikitra mikasika io raharaha io ny minisitry ny Fiompiana nefa tsy ho vita sy tsy tafiditra ao anatin’ny politikam-pirenena tanterahina mandritra ny zato andro izany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







