Antaninandro – Fiara 5 indray nidofotra
Fiara miisa 5 no nidofotra teny Antaninandro. Raha ny filazan’ny nanatri-maso dia fiara mijanoana avokoa izy rehetra ireo ary mifanao aloha sy aoriana. Ilay tany amin’ny farany no nisosa ho azy ary nandona ny teo alohany ka nihafara tamin’ny fifanorohan’izy rehetra. Fantatra fa maika loatra ny mpamilin’ny fiara 4×4 Renault Duster ka nanadino ny nampiakatra ny hisatra sintomina tanana rehefa nivoaka ny fiarany. Mitsotsorika anefa ilay lalana nametrahana ilay fiara ka nikorisa ho azy ilay izy avy eo ary nandona ny hafa. Somary lehibe sy mavesatra ihany koa io 4×4 io ka tsy voatohan’ilay fiara teo alohany ary lasa niteraka ny fandomana ny fiara rehetra nijanona teo. Tsy dia nisy ny fahasimbana fa pempo madinidinika ny loha sy ny taorian’ny fiara rehetra voadona. Nanamarika izay nanatri-maso fa tena misy mpanao an-tsirambina ny mpamily ary miteraka fahasimbana amin’ny fananan’ny hafa izany.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







