Fanjakana tsy sahy miaro vahoaka !
Nanaitra, nampivarahontsana, nahavaky fo, nampisendaotra,…tsy hita intsony izay teny entina hilazana azy satria efa mihoatra lavitra ny habibina ny fomba namoana ilay vehivavy malagasy tany Koweït izay miparitaka any amin’ny tambazotram-pifandraisana sy nalefa tamin’ny fahitalavitra. Nofatorana tongotra aman-tanana dia nokapakapaina tamin’ny antsibe mandra-pahafatiny. Notetitetehina toy ny hena indray avy eo. Tsy vitan’izany fa mbola nalaina sary sy naparitaka ho hitan’izao tontolo izao ilay habibiana ary nalefa ho hitan’ny havany ihany koa.
Habibiana tsy roa aman-tany ireny nitranga ireny ary ho hita eo hoe hatraiza ny fandraisana andraikitra ataon’ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza tamin’ny malagasy iray rà amintsika. Raha ny frantsay sy amerikanina, eny fa na ireo firenena hafa aty Afrika sy Azia ary Arabo no nisy teratany natao toy ireny dia nihafara tamin’ny fanafihana ilay firenena nitrangan’ny habibiana mihitsy raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra hikarohana sy hisamborana ireo nahavanon-doza.
Ho sahy hanao ny fomba rehetra ve ity Fanjakana Malagasy ity hampiseho ny hambom-po ka hanery ny fitondrana Koetianina hisambotra ireo nahavanon-doza? Raha tsy sahy hanao izany ny mpitondra eto amintsika ka hamela ny vehivavy malagasy ho fatifaty foana dia ny miala ny mety aminy. Fanjakana miaro vahoaka no ilaina fa tsy fanjakana mpisolelaka sy kanosa. Tsy azo vonovonoina amin’izao mantsy ny malagasy fa manana ny hasiny.
Mila mijoro ny mpitondra malagasy ary tsy tokony hanaiky mora ny toy ireny. Efa fomba fanao eto amintsika mantsy ny mody hoe nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra vahiny any amin’ny tany nitrangan’ny habibiana dia avy eo milamindamina ho azy eny ny raharaha.
Izao no fotoana tokony hampisehoan’ireo mpitandro filaminana malagasy izay lazaina fa tandroka aron’ny vozona fa mafibe izy ireo ary tsy mivazivazy manoloana izay manao ratsy ny malagasy. Rehefa tsy hisambotra ireo nahavanon-doza ny fanjakana any Koweït dia tokony halefa any ireo zandary sy polisy ary miaramila malagasy hisambotra ireo mpamono olona. Ny vahiny rehefa misy maty eto amintsika dia mandefa ny mpitandro filaminana avy any aminy handray an-tanana ny fanadihadiana sy ny fisamborana koa maninona moa isika no tsy hanao izany koa. Sa ve ny vahoaka malagasy efa trotraky ny fahantrana sy ny adin-tsaina ary ny hanohanana ihany no sahin’ny mpitandro filaminana hampiasana hery?
Fanontaniana avoakan’ny fo vaky sy ny saina misendaotra nohon’ny alahelo izany nefa kosa tena mitombina manoloana ny zava-misy. Malagasy iray rà amin’ny tena izao no niharan’ny habibiana tany ivelany koa atao ahoana no tsy ho tohina?
Mila mandray ny andraikiny ny mpitondra Fanjakana ka tsy hamela iny raharaha iny ho vitavita ho azy amin’izao. Rehefa marefo tsy afaka ny hijoro hiaro ny malagasy ny mpitondra satria matahotra an’i Koweït dia mila miantso vonjy any amin’ireo firenena milaza fa mpanohana antsika. Mba miara-mihinana sy mitsentsitra ny mamy eto Madagasikara ihany i Lafrantsa renimalala sy i Amerika dadatoa Sam koa tokony hihaino ny fitarainan’ny mpitondra malagasy. Manana hery faran’izay harifomba afaka hanao fanadihadiana ao anatin’ny fotoana fohy mikasika ireo nahavanon-doza ary hisambotra sy hitaritarika izany eo anatrehan’ny fitsarana iraisam-pirenena na ihany koa eo amin’ny fitsarana malagasy ny frantsay sy ny amerikanina.
Tsy maintsy fanapahan-kevitra avy amin’ny Fanjakana malagasy anefa vao afaka ny hanao izany ry zareo. Efa marobe ireo vehivavy malagasy maty novoina tany ivelany saingy toa vitan’ny fitserana sy ny fimenomenomana fotsiny ny raharaha fa tsy mba voatohintohina mihitsy ireo nahavanon-doza. Fotoana kosa angamba izao handraisana fepetra hamongorana ny habibiana tsy roa aman-tany toy ireny. Na hiafara amin’ny ady eo amin’ny firenena roa tonta aza maro ny lehilahy malagasy vonona ny hanome ny ainy ho an’ny fiandrianam-pirenena rehefa tsy mazoto ny hanao izany ny mpitandro filaminana.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







