Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fandorohana vazaha tany Nosy-be Hell-ville – Nahemotra ny fitsarana ireo voarohirohy ho tompon’antoka

Raha tokony omaly no niakatra fitsarana ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana vazaha tany Nosy-be Hell-ville ny taona 2013 dia nahemotra amin’ny tapa-bolana indray izany. Ny tsy fahatongavan’ny olona iray tena tazomin’ireo frantsay nanatrika izany fitsarana izany no antony nanemorana izany. Miisa 40 ireo olona voatonotonona tamin’ity raharaha ity ary efa notanana am-ponja vonjimaika taty an-drenivohitra nanomboka ny taona 2013. Miisa 38 ny lehilahy tamin’izy ireo ary notamonina teny am-ponjan’i Tsiafahy ary vehivavy ny roa izay nogadraina teny Antanimora.

Raha tsiahivina dia raharaha nahoraka naneran-tany ny fitsaram-bahoaka nihatra tamin’ny teratany frantsay sy Italiana niseho tany Nosy-be, ny faramparan’ny taona 2013 iny. Nisy zaza very tany an-toerana tamin’izany fotoana izany ka ireo vazaha ireo no voalaza fa nangalatra azy ireo mba hakana taova. Maty nodoran’ny fokonolona izy roa lahy avy eo. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana ka nisy mihitsy ny fifandonana tamin’ny fokonolona izay namoizana ny ain’ireo malagasy. Nisy ny fisamborana faobe taorian’izay ka nampiakarana taty an-drenivohitra avy hatrany izy ireo ary nampidirana am-ponja vonjimaika. Etsy andaniny, tsy nahenoina feo intsony ilay resaka halatra taova sy ny hala-jaza manoloana ireo zaza tsy hita popoka hatramin’izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre