Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mahajanga – Tafakatra 20 000 ariary ny vidin’ny makamba

Lasa jerem-potsiny ny makamba ao an-tampon-tananan’i Mahajanga amin’izao fotoanan’ny fialan-tsasatra izao. Raha 7 000 ariary ny iray kilao andavan’andro dia tafakatra 20 000 ariary izany ankehiriny. Efa mitovy vidy amin’ny hazandrano aty an-drenivohitra izany vidiny izany anefa dia jonoina ao Mahajanga.

Misy kosa ireo mandeha lavidavitra kokoa, izay maharitra telo ka hatramin’ny dimy andro, ka tonga any avarabaratra any Antanimalandy hatrany Analalava. Misy ihany koa ireo manjono mianatsimo hatrany Soalala na mandeha lavitra ka tonga any amin’ireo îles Eparses. Ny fitahirizana ny hazan-drano ny olana amin’ireny mpanjono ireny ka tsy mampihena ny vidiny.

Ankoatra izay dia midangana ihany koa ny vidin’ny legioma  any an-toerana. Mahatratra 1 800 Ariary ny kilaon’ny ovy ary 1 400 Ariary ny kilaon’ny karaoty. Toy izany koa ny korzety sy ny laisoa. Ny choux fleur moa dia 3 000 Ariary ny iray.  Ny voatabia no mba nidina kely. Na ireo legioma vokarina ao an-toerana sy ny manodidina aza dia efa lafo be daholo. Ny voankazo moa tsy lazaina intsony fa efa 2 000 Ariary ny tanan’ny akondro iray.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre