Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Andravoahangy Atsinanana – Olona 5 may, trano 41 nilalaovin’ny afo

Loza mahatsiravina no niseho teny Andravoahangy Atsinanana, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Trano miisa 41 tafo indray no levon’ny afo, ny 5 tamin’ireo trano barika ary vita amin’ny hazo avokoa ny ambiny. Afon’ny labozia adino tamin’ny trano hazo iray tao an-toerana no fantatra fa nahatonga ny loza. Olona miisa dimy no may kila nandritra ny fahamaizana ary ny telo mianaka tamin’ireo dia avy amin’ilay trano niandohan’ny afo avokoa.

Raha ny filazan’ny mponina teny an-toerana dia efa lelafo nijoalajoala no hitan’izy ireo niainga tao amin’io trano io. Velona avy hatrany ny antso vonjy ary nikoropaka ny iray tanàna, samy niezaka namonjy ny fananany sy ny famonoana ilay afo tsy hitatra. Nohon’ny fitsokan’ny rivotra mafy sy ny fahataranan’ny mpamonjy voina dia nampanano sarotra ny fokonolona ny famonoana ny afo. Tamin’ izany ihany koa nahafantaran’ireo mpiara-monina fa mbola misy olona tavela tao an-trano niavian’ny afo sy ny trano iray hafa. Sarotra ny famonjena azy ireo nohon’ny hidim-baravarana ka nahatonga azy ireo may tao saingy tsy nisy ny aina nafoy.

Vokatr’ity hain-trano ity dia olona miisa 280 no tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao. Potika tsy nisy tavela, lasa lavenona avokoa mantsy ny entana tao an-trano. Efa manaraka fitsaboana amin’ny hopitaly kosa ireo may tamin’ny fahavoazana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre