Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Mifampiandry kendry tohana !

Somary mangingina indray ny fifampihantsiana mivantana eo amin’ny samy mpanao politika amin’izao fotoana izao. Tsy hita popoka intsony ireo tena manana ny lanjany toy ny mpitarika ao amin’ny vondrona Armada manoloana ny zava-misy. Solombavam-bahoaka vitsivitsy avy amin’ny Mapar sy ny mpitarika sendika sisa no hita mipoipoitra mampiseho ny tsy mety eto amin’ny raharaham-pirenena. Mangina tanteraka i Andry Rajoelina na dia hita aza fa maro ny antsojay nahazo ny antokony tamin’ireny fifidianana ben’ny tanàna farany teo ireny. Marc Ravalomanana no mba mipoipoitra nefa mifantoka tanteraka amin’ny tenany manokana dia ny fanokafana ny orinasany ny hetsika rehetra ataony fa tsy fitsinjovana ny firenena sy ny vahoaka. Manoloana izany rehetra izany dia minia mikipy sy mody tsy mahalala ny zava-misy eto amin’ny firenena ny filoha Rajaonarimampianina. Mody manao fitsidiham-paritra sy mitokana zavatra etsy sy eroa mba ho hitan’ny olona fa mbola eo amin’ny fitondrana ihany na dia tsy mandeha amin’ny tokony ho izy aza ny raharaham-pirenena.

Mamofompofona tsy fifanarahana rahateo eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka ary hita izany amin’ny fomba fiasan’ireo minsiitra sy ny tale ambony eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana. Samy efa miomankomana ny amin’ny mety hisian’ny fandravana ny governemanta ny rehetra ka mitady izay hahasoa ny tenany. Maro amin’ireo minisitra no mahatsapa tena ho navadiky ny filoha ary tadiavin’ity farany hatakalo ny solombavam-bahoaka. Io tranga io no mahatonga ny disadisa ankolaka eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka. Efa samy mihetsiketsika any ambadika any mitady ny fomba rehetra hahatafaverina azy ao anaty governemanta ny mpikambana rehetra raha toa ka hisy tokoa ny fandravana.

Ankilan’izany anefa dia toa miandry am-pitoniana ny vokam-pifidianana ofisialy ireo antoko nandray anjara tamin’izany. Vitsy dia vitsy ireo sahy miteny sy miady hatramin’ny farany ny amin’ny tsy maintsy hamoahana ny marina sy ny ara-dalàna. Hahafahana mamaritra ireo rehetra ireo, fa milamindamin-dratsy ny tontolo politika eto amitsika ary ahiana ho miketrika hetsika goavana any ambadika any ny hery velona rehetra misy. Mangina avokoa aloha hatreto miandry ny vokam-pifidianana sy ny fanatanterahana ilay “mémorandum” sy “pacte de résponsabilité”.

Samy mbola miandry izay ho fihetsiky ny fiadidiana ny Repoblika ny rehetra vao hiseho sy hilaza izay tena heviny sy ny hetsika hataony. Ny fitondram-panjakana anefa dia hita fa miandry ny fivoahan’ny vokam-pifidianana ben’ny tanàna vao handray fanapahan-kevitra ny amin’ny ho tohin’ny raharaha rehetra. Raha ny tsinjo aloha hatreto dia tsy hisokatra amin’ny hafa fa hikaton-trano ary hametraka ny fitsipika azy manokana ny filoha sy ny antokony rehefa mahazo ny maro an’isa eo ny ben’ny tanàna Hvm.

Afaka ny hametraka tsy amin’ahiahy ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieran-doholona mantsy izy ireo amin’izay fotoana izay ka tsy ho olana intsony ny fifandirana amin’ny Antenimieram-pirenena. Ity farany rahateo mora fehezina na tsy ho ravana aza satria mbola maro amin’ny ireo solombavam-bahoaka no mora mivadibadika rehefa tambazana vola sy tombon-tsoa.

Tsy ho vita mora anefa ny fametrahana izany raha tsy misy aloha ny fampandrosoana mivaingana eto amin’ny firenena. Na inona na inona fifanarahana sy stratejia politika ambony latabatra ataon’ny mpitondra dia hisy hatrany ny krizy raha mbola maharary ny vahoaka. Tsy finiavana hila vaniny na hanakorontana no mahatonga ny hetsika fitakiana etsy sy eroa fa tena iankinan’ny fianam-bahoaka sy ny isan-tokan-trano mihitsy. Zo amin’ny lafiny karama sy tambin-karama, zo hianatra, zo hisakafo, zo harovana, zo hanana jiro,…raha fintinina dia zo ho velona no takian’ny vahoaka fa tsy sanatria hetsika hanongam-panjakana. Daroka sy eson-teny ary endrikendrika sy fampihorohoroana anefa no setrin’izany. Mangina ny rehetra hatreto, indrindra ireo mpanao politika manana ny lanjany saingy ahiana tsy mipetra-potsiny izy ireny any ambadika any fa mitady ny fomba rehetra hanerena ny mpitondra mba hanatanteraka ny asa fampandrosoana nampanantenaina. Miandry kendry tohana fotsiny !

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre