Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Antanimena – Polisy nanolana zazavavy nitangoronan’ny olona

Omaly atoandro tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any no nisehoan’izany tetsy Antanimena. Lehilahy iray voalaza ho polisy no nitangoronan’ny fokonolona. Ity farany dia voalaza fa nanolana zazavavy kely 13 taona monja. Tsy fantatra mazava anefa ny tena fandehan’ny raharaha. Tsy fantatra ihany koa ilay zaza nolazaina fa naolan’ity lehilahy ity. Mbola tsy voamarina ihany koa ny maha-pitandro filaminana io ranamana io hatramin’izao.

Ny tena azo antoka dia ny fisian’ilay fanolanana ary io lehilahy io no nanao izany. Ilay zaza voaolana mihitsy no nitantara ny zava-nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny rehefa nohadihadiana ary io lehilahy lazaina fa polisy io no nanampatra ny filany taminy. Efa nitangorona ny olona ary nivonona ny hanao  fitsaram-bahoaka tamin’ity lehilahy ity. Nilaza ho tsy nahalala ny zava-nisy kosa ny mpitandro filaminana rehefa nanontaniana mikasika ity ity raharaha ity. Tsy mbola misy rahateo ny fitarainana voaray na feo mandeha henon’izy ireo mahakasika polisy voarohirohy amin’ny fanolanana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre