Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Moramanga – Olona roa maty voatifitry ny jiolahy

Miseho lany ny tsy fandriampahalemana any amin ’iny Distrikan’i Moramanga iny. Olona roa no indray matin’ ny jiolahy ary telo hafa naratra tany an-toerana ny alatsinainy alina teo. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nodoran’ireo tsy mataho-tody ny trano fonenana marobe.

Nirefodrefotra ny poa – basy tao amin’ny kaominina Manakambahiny, fokontany Ankarefona ao anatin’ny tananan’i Mandialaza. Trano miisa 3 mifanakaiky no notetezin’ireo jiolahy milanja basy tamin’izany tanàna izany. Tamin’ny fitantaran’ny ramatoa iray 47 taona anisan’ireo lasibatra izay namoy ny vadiny tamin’ny fanafihana dia niditra tao amin’ny efitrano nisy ireo zanany ireo jiolahy nanontany sady nandrahona no namono ireo ankizy ny mba hanoro ny toerana misy ireo olon-dehibe. Nohon’ny tahotra ny ho faty dia natoron’ireo zaza ireo ny efitrano nisy ny ray aman-dreniny.

Tifitra variraraka avy eo no nidiran’ireo jiolahy tao amin’izany efitrano izany ka nahavoa ny raim-pianakaviana. Niantefa teo amin’ny fony ny bala ary lavo teo noho eo izy. Ireo naratra kosa efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Moramanga amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre