Nilaza fa voaolana – Mpisoloky ilay lasibatra
Navotsotry ny fitsarana nohon’ny fisalasalana ny tovolahy iray manodidina ny 28 taona rehefa avy natao famotorana teo anoloan’ny mpitsara tetsy Anosy omaly. Voampanga ho nanolana zazavavy 14 taona izy ny novambra 2014. Namany ihany io nitory io ary ary samy monina eny Andraisoro izy ireo. Taorian’ny fitoriana nataon’ny ray aman-drenin’ilay tovovavy dia naiditra vonjimaika teny Antanimora nandritra ny folo volana ilay lehilahy. Fantatra nandritra ny fitsarana natao omaly fa nentina hakana vola tany amin’ilay lehilahy fotsiny ilay fitoriana satria tamin’ny andro nilazana fa nisian’ny fanolanana dia tsy teto an-toerana akory ilay voampanga fa nandeha nandevina ary nanamarina izany ny taratasy fanambaram-pahafatesana nasehony.
Tsy mitombina noho izany ny fiampangana ilay tovolahy na teo aza ny taratasy avy tamin’ny dokotera izay nilaza fa efa tsy virijiny intsony ilay zazavavikely ary naolan’io zazalahy io izy. Tsy vitan’izay ihany fa raha ny volana novambra no voalaza fa niharan’ny fanolanana ilay adolantsento dia efa ny volana desambra ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy. Nangataka hanao raharaha-pihavanana ireo nitory mba hanomezana onitra azy ireo fa tsy nety ilay voampanga. Nanome tombony an’ilay voampanga ihany koa ny tsy fanatrehan’ilay nitory ny raharaha omaly. Porofo izany hoy ny mpisolovavan’ilay tovolahy fa tahotra ny hahalalana ny marina ny tsy fahasahiany miatrika izao fitsarana izao. Nanambara koa ity farany fa tsy ampy ny porofo entina hiampangana ilay olona arovany satria aminy dia tsy ampy entina hanamelohana olona ny taratasy avy amin’ny dokotera CSBII izay natolotry ny mpitory satria taratasy avy amin’ny hopitalim-mpanjakana ihany no manankery eo anoloan’ny fitsarana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







