Mahanoro – Marolambo – 132 kilometatra atao 5 andro
Anisan’ny lalana ratsy indrindra ny mampitohy an’ny Mahanoro sy Marolambo, mirefy 132 kilometatra. Fantatra fa 3 hatramin’ny 5 andro no hanaovana azy io amin’izao fotoana izao nohon’ny haratsiny. Efa ampolo taonany maro izao, tsy misy fanamboarana io lalana io, araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Mahavariana fa tsy ao anatin’ny laharam-pahamehana’ny fanjakana io lalana io. Fampanantenana hatrany no atao amin’ny vahoaka hatreto.
Lasa miteraka olana lehibe amin’ny fampandrosoana any amin’ireo toerana ireo io faharatsian’ny lalana io hatramin’izay. Misy fiantraikany amin’ny fitateram-bokatra maro izany. Araka ny fantatra hatrany dia midangana daholo ny vidin’enta-madinika any amin’ireo toerana ireo. Mitaraina ireo mponina fa tsy mandray vola ny vokatra fa raraka lanin’ny tany. « Efa ela aho no tsy nihinana volan’ny laodisia sy voasary namboleko ireo. Jerena fotsiny rehefa mamokatra ny jirofo, dipoavatra ary kafe. Mangataka aminareo tompon’andraikitra ambony mba hijery io lalana io fa te-hihinana ny volan’ny laodisia izahay », hoy ny mponina iray any an-toerana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







