Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambohimanarina – Vehivavy mamo lava voalaza fa mpamosavy

Vehivavy iray manodidina ny 50 taona, no voatondro ho mpamosavy teny Ambohimanarina, omaly maraina, tamin’ny 6 ora. Tsikaritry ny natory teo akaikin’ny fasana izy ka noheverin’ny fokonolona maro fa mpivoaka alina. Nodarohan’ireo mponina izy rehefa nolazaina fa nanimbazimba ny razan’olona tao anatin’ izany fasana izany. Nampangain’ny olona fa nanakan-

dalana, tovolahy miisa roa nitondra scooter avy niandry faty, ihany koa izy.

Ireto farany no nolazain’ny mponina fa nijoro vavolombelona tamin’ny zava-niseho. « Roa vavy ry zareo no niaraka, saingy tafaporitsaka ny iray. Tsy natahotra azy ireo rahateo ireo tovolahy nosakanana satria mpitandro filaminana », hoy ny resak’ireo mpivarotra tao amin’ny an-tsenan’Ambohimanarina.

Niantso ny polisy ihany ny vahoaka mba haka ilay mpamosavy nefa tsy tonga ny mpitandro filaminana ka naterin’ny olona teny amin’ ny kaomisaria Anosisoa izy.

Nanazava ny lehiben’ny polisy ao amin’ny Boroborintany fahaenina, ny kaomisera Ramarolahy Daniel Jean, fa tsy mpamosavy ilay renim-pianakaviana. « Tsy mitombina loatra ny filazana fa mpamosavy ilay ramatoa. Raha ny fahitana azy sy ny fizotry ny famotorana dia vehivavy mamo izy ity ka tsy tafody an-trano. Izy rahateo natory tsy lavitra ny fasana teo amin’ny manodidina. Ankoatra izay, tsy nipoitra tety amin’ny biraon’ny polisy mandrak’izao ireo lehilahy roa voalaza fa nosakanany », hoy hatrany ny fanazavany. Mitohy ny fanadihadiana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre