Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

67 ha – Trano iray lasibatry ny jiolahy

Nitrangana asa jiolahy teny amin’ny fokontany 67 ha ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Jiolahy nirongo fitaovam-piadiana no niditra an-keriny tao amin’ny tokan-trano iray tamin’io fotoana io. Novakian’ireo olon-dratsy ny varavarana ary niditra avy hatrany izy ireo. Mbola tsy natory kosa ireo tompon-trano tamin’ny fahatongavan’ireo mpangalatra ka vao naheno ireo olon-dratsy dia nanapika jiro ary nivoaka avy teny an-davarangana ambadiky ny trano izay misy tohatra .

Tsy nanapoaka basy ireo mpanafika rehefa nahita fa tsy nisy olona intsony tao an-trano. Naparitak’izy ireo ambony ambany kosa ny trano mba hitadiavany izay mety ny vola sy firavaka sarobidy. Tamin’ny fotoana niverenan’ny tompon-trano dia nanjavona avokoa ny vola an-tapitrisany sy ny volamena tao.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre