Baiko midina !
Tsy maintsy atao vakisiny hisorohana ny aretina lefakozatra avokoa ny zaza malagasy rehetra latsaky ny 15 taona tsy an-kanavaka. Baiko midina io ary tsy misy safidy fa tsy maintsy manoka-baravarana ny ray aman-dreny sy ny sekoly. Tsy nandanjalanja ny fitenenany mihitsy ireo minisitra telo mirahalahy dia ny avy amin’ny Serasera, ny Fahasalamana, ary ny Fanabeazam-pirenena raha nampita hafatra ny mahazava-dehibe io fanaovana vakisiny faobe io. Ny vahoaka indray aza no nomen’izy ireo tsiny mahakasika ny tsy fahampian’ny tahan’ny fanaovam-bakisiny. Niseho tamin’iny omaly iny ny tena toetran’ireto olom-panjakana ireto izay zatra manao didy jadona sy baiko tsy valiana. Ekena fa tena adidin’ny rehetra ny manao izay hamongorana ny aretina lefakozatra eto amintsika saingy tsy anaovana tery vay manta sy hibaikobaikoana ary hanambaniana ny hafa izany.
Adinon’ireo minisitra fa ny vahoaka no mpitondra ary ny olom-boatendry no mpanatanteraka. Tsy manana fahefana ny hibaiko na iza na iza mihitsy izy ireo ankoatra ireo eo ambany fiadidiany. Ny mpiasan’ny Rnm sy Tvm no azo baikoana tsy handefa ny vaovao sy ny sary ary ny feo mahakasika ny herisetra nahazo an’i Jean Pierre, ilay mpianatr’Ankatso nodarohan’ny zandary nandritra ny hetsika nataony. Mbola ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana ihany koa no azo atao tery vay manta tsy hamoaka ny vaovaon’ny antoko mpanohitra sy ny tsy fahatomombanana rehetra nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo fa tsy mpanao gazety avy amin’ny sehatra tsy miankina. Nanery mivantana ny orinasa fanaovan-gazety tsy miankina handray anjara mavitrika amin’ny hetsika ataony momba ny ady amin’ny lefakozatra mantsy ny minisitry ny Serasera.
Tsy misy adala akory eto na ihany koa fahavalom-pirenena ka hanao izay tsy hahatomombana izany. Samy malagasy avokoa ary tsy misy olona haniry ny hiparitahan’ny aretina lefakozatra. Izany hoe tsy mila baikona sy anaovana teny midina ny rehetra na olon-tsotra io na mpanao gazety vao handray anjara amin’ny fanamorana ny asan’ireo mpanao vakisiny.
Tsara ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana ny amin’ny tsy maintsy hanaovana vakisiny ny ankizy rehetra mba hanafoanana tanteraka ny lefalozatra izay eto Madagasikara irery sisa firenena misy azy saingy ilana fifanajana kosa ny fampitana izany any amin’ny vahoaka.
Tsy andriamanjaka akory ireo minisitra ka hijoro ho mpibaiko sy mpanapaka ary hanasokajy ny vahoaka ho mpanaraka ambokony fotsiny. Adidy sy asa ary nanakaraman’ny vahoaka ireo minisitra izany hetsika ho an’ny fahasalamana izany fa tsy asa soa avy amin’izy ireo manokana ka hireharehana sy hizahozahoana.
Io miseho ho zavatra io ihany no efa nanimba ny fitondram-panjakana maro nifandimby teto. Olon’ny fo ny malagasy ary azo hanazavana resaka tsara saingy kosa mora mangotraka rehefa hanaovana teny tsy voahevitra.
Misy mba nahazo fahefana kely tao anatin’ny herin-taona latsaka dia mihevitra azy ho tompon’ny firenena ka hibaiko hoe “tsy safidy io fa tsy maintsy ekena”. Angaha izy ity any amin’ny miaramila ka hatao toy izany? Ny mpitandro filaminana aza rehefa mampita hafatra amin’ny vahoaka tsy manao didi-jadona toy izany fa miezaka mitondra ny fanazavana sy ny porofo ara-teknika ary miantso am-panajana hatrany ny fiaraha-miasa.
Dia hogadraina sy ho darohana to an’I jean Pierre avokoa ve izany izay rehetra tsy manaiky ny hampidira ireo mpanao vakisiny ao an-tranony? Sa hakatona na handefasana taratasy fampitandremana ireo haino mpampahalala vaovao tsy hiara-hiasa amin’ity hetsika fanaovana vakisiny faoibe ity. Tsy vitan’ny tery vay manta toy izany ny fampandehanana tetikasa eto amin’ny firenena fa mila fifanazavana sy fifandresen-dahatra ao anaty fifanajana dia mandeha ho azy. Mila fantatr’ireo tompon’andraikitra ambony efa zatra manjakazaka sy manao teny midina any anaty biraony fa tsy ny olon-drehetra no azo hanaovana didy jadona.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







