Ankeniheny-Zahamena – Potika ny ala arovana
Tafakatra any amin’ny 10 000 ireo mpitrandraka vato rubis tafiditra an-kalalahana ao amin’ny alan’Ambodivoahanygy ao amin’ny valanjava-boahary tandavan’ala Ankeniheny-Zahamena (CAZ) amin’izao fotoana izao. Fanimbana tanteraka no hataon’ireo olona an’alina ireo, hoy ny fanambaran’ny loharanom-baovao. Tsy vitan’ny mandavaka mba hikarohana ireo harena ankibon’ny tany ihany mantsy izy ireo fa mbola mandoro sy manapaka ireo ala ao an-toerana.
« Tsy misy ara-dalana avokoa ireo rehetra ireo befa tsy misy mpitandro filaminana mandroaka azy ireo. Fantatry ny solontenam-panjakana avokoa ny fisian’io fandrobana sy fanimbana io any an-toerana saingy tsy misy ny fandraisana andraikitra. Ny fanaovana kolikoly no antony mahatonga an’izao », hoy hatrany ny filazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana.
Fantatra ihany koa fa miha-tonga any tsikelikely ireo teratany vahiny mpibizina vato. Mirongatra ihany koa ny mpifindra monina tsy ara-dalàna. Raha tsy misy fepetra ny fandraisana fepetra haingana dia hitovy amin’Ilakaka ny ao amin’ny CAZ ary ny malagasy rehetra no hizaka ny voka-dratsiny eo amin’ny fatiantoka ara-toekarena fa indrindra indrindra amin’ny lafin’ny fahasalamana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







