Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fanabezam-pirenena – Tsy mpampianatra akory ireo noraisina

Ny 50 isan-jaton’ ireo noraisina ho mpampianatra mpiasam-panjakana farany teo, tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) Toliara II dia tsy mapmpaiantra akory. Misy milaza fa nandoa vola taamin’ny tompon’andriakitra amboninin’ny fampianarana any an-toarana izy ireo. Kolikoly no hanasokajiana io tranga io.

Nisy zanaka talen’ny Epp iray any an-toerana tafiditra mpiasam-panjakana ary nahazo alalana hampianatra 2015-2016 kanefa tsy mahalala akory izay mitazona tsaoka. Miisa roa izy ireo no zanak’io talen-tsekoly io ary samy tafiditra avokoa. Mbola toy izay ihany koa ny olona iray izay tsy tokony ho voaray nefa rehefa nandoa vola tamin’io talen’ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny faritra dia lasa mpiasam-panjakana.

 « Mampalahelo anay fikambanana mpampianatra Frameto amin’ny Cisco Toliara II anefa fa misy aminay ny efa nampianatra nandritra ny 10 taona, 8 taona sy 7 taona ary manana diplaoma bakalorea nefa dia tsy tafiditra tanatin’ireo noraisina na dia nandefa antontan-taratsy aza. Betsaka aminay no talen-tsekoly ary efa hatramin’ny 2005 no nampianatra sy nitazona ireo sekoly tazominay ireo nefa dia mampalahelo fa tsy mbola voaray ihany. »

Laurena Nany

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre