Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Vaviantitra mamo – Vodonan’ny moto izy sy ny zafikeliny

Teny Ambohimangakely no nisehoan’izany tamin’ny alarobia, tokony ho tamin’ny 6ora latsaka fahefany hariva tany ho any. Moto iray nandeha mafy be no nandona ramatoa lehibe nitrotro zazakely. Nohon’ny dona dia naratra mafy avokoa izy telo saingy izy mianaka no tena voa mafy ary amin’ny fahafatesana hatramin’izao nanoratana izao.

Olona avy any Antsirabe izy ireto no tonga mialaasatra eto an-drenivohitra ka izao niharan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina izao. Nivoaka nitondra ny zafikeliny izy izao tra-doza izao. Teo am-piampitana indrindra mantsy izy ireo no voafaoka. Vaky ny lohan’ilay tovolahy nitondra ilazy fiara kodiaran-droa sady rapa ny tarehiny. Etsy ankilany, tapaka avy hatrany ny tongotr’ilay ramatoa be 62 taona ary ilay zaza kosa torana tsy nahatsiaro tena tao anatin’ny ora maro.

Fantatra ihany koa fa nahenoana fofon-toaka ity ramatoa ity tamin’ny nisehoan’ny loza. Mety tsy nijery lalana ity farany tamin’ny niampita.

 

L.N

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre