Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Bevohokan-draikeliny – Nanjavona tao amin’ny tribonaly ny taratasy fitoriana

Efa sivy volana lasa izay no niharan’ny fanolanana nataon-draikeliny ny ankizivavy kely vao 13 taona monja. Vokatr’izany herisetra izany dia mitoe-jaza ity zazavavy kely izy. Tany ambanivohitr’Amboangibe, ao anatin’ny distrikan’i Sambava no nitrangan’izany. Fandrahonana sesilany no niainan’ity ankizy ity isan’andro ka tsy sahy nilaza ny nanjo azy tamin-dreniny izy.

Rehefa ela ny ela anefa dia nilaza ny marina tamin’ny fianakaviany izy rehefa norahonana hilaza ny rain-janany. Saika tsy nino ny havan’ilay zaza raha nahafantatra fa ny raikeliny ihany ity nahavita namiravira ny zaza tao an-trano. Nitory avy hatrany tao amin’ny mpitandro filaminana tao Amboangibe izy ireo momba io fanolanana io ary niakatra tany amin’ny tribonaly tao Antalaha ny raharaha ny volana jolay lasa teo.

Fantatra anefa ankehitriny fa nanjavona tsy hita popoka ilay antontan-taratasy fitoriana natao tamin’io lehilahy io. Ahiana noho izany ny mety hisian’ny kolikoly amin’ity raharaha ity anefa raha ny lalana velona dia voasokajy ho isan’ny heloka bevava ny fanolanana ary mampigadra aman-taonany maro. Amin’izao fotoana izao dia manao antso amin’ny tambajotra mpiaro ny zon’ny ankizy ny fianakavian’ilay zaza mba hanampy azy ireo amin’ity raharaha ity.

Ilay zazavavy kely kosa dia fantatra fa miandry vohoka ao amin’ny hopitalin’i Sambava izy amin’izao fotoana izao. Raisin’ny mpitsabo ny fanaraha-maso ny momba azy sy ny zaza ao an-kibony nohon’ny fisian’ny risika amin’ny fiterahana aloha loatra.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre